2 MPANJAKA 22.11-20
Ny fihetsika nataon’i Josia mpanjaka teo anatrehan’ny fahitana indray ny bokin’ny lalàna sy ny nandrenesaany ny fivakiny no mampianatra antsika koa fa ny Tenin’Andriamanitra norenesina dia tokony :
1-Hampanetry tena
Voalaza eto fa i Josia mpanjaka rehefa nanre ny Tenin’Andriamanitra novakiana taminy dia « nandriatra ny fitafiany ».Ny hevitra fonosin’izany dia ny fanatriatriarana ny fo mihitsy , ny fanetrentena feno sy tanteraka eo anatrehan’Andriamanitra ka hahatsiarovan-tena fa diso sy meloka ary menatra noho ny hadisoany . Iaao koa dia taomina hanao toy izany fa tsy hanamari-tena indray manoloana ny Tenin’Andriamanitra manambara ny sitrapony .
2-Hampitodika amin’Andriamanitra (and13)
Nasian’i Josia hanontany an’i Jehovah ny tomponandraikitra . Izany fihetsika nataony izany dia maneho ny fahavononany hihaino an’Andriamanitra, hiverina amin’Andriamanitra indray . tsy hoe: menatra dia vao mainka nanalavitra na niery tahaka izay nataon’i dama sy Eva , fa tena fibaboana sy fitadiavana izay hamerenana ny fifandraisana amin’Andriamanitra, mitady famelankeloka raha lazaina amin’ny teny hafa .Tsy ho an’i Josia ihany anefa, fa ho an’ny vahoakany koa . Mpitondra hendry izy .
3-Hankatoavina fa loharanom-pamonjena
Mazava mihitsy ny Tenin’i Jehovah ho an’i Josia : »hangonina any amin’ny razany » izy . Ny hevitr’izany dia hoe; hahita fiadanana izy noho ny fanetrentenany,ny fahavononany hiverinasy hamerinany olona amin’i Jehovah .Noho izanydia teny fanomezantoky ny azony fa tsy filazana loza tahaka ny an’ireo izay minia tsy mankato na manao tsinotsinona ny Tenin’Andriamanitra
Fanontaniana :
Mitondra inona ho anao ny mandre ny Tenin’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM