2 TIMOTY 3.14-17

Raha maharitra amin’ny teny ianao

1-Tonga olon’Andriamanitra (and17a)

Antsoina hoe : olon’Andriamanitra ireo olona niaina sy nanaraka ny Tenin’Andriamanitra .Tsy mba nivadika tamin’Andriamanitra na dia nisy aza olana natrehany .Iray amin’ireny izay voalazan’ny Salamo 73 . Ianao koa raha maharitra amin’ny Tenin’Andriamanitra dia ho tonga olon’Andriamanitra .Hoy i Jesoa :« Raha maharitra amin’ny teniko ianareo , dia ho mpianatro tokoa  » (Jao 8.31) .Tsy ny fahaizana ny Soratra masina no zava-dehibe fa ny faharetana sy ny fiainana izany ,izay mitondra fiainana ho antsika olombelona .

2-Tonga olona vonona amin’ny asa tsara (and17b)

Ny asa tsara ambara eto dia izay nambaran’i Jesoa hoe: « maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ny Ray « (Jao 10.32) .I sika izay miaina ny Tenin’Andriamanitra dia tonga mpanatanteraka ny sitrapony tahaka an’i Jesoa zanany . Ary noho ny hery entin’ny Tenin’Andriamanitra dia tonga mahery sy mahajoro hanao ny sitrapony isika .Ka tsy mikendry afa-tsy ny fitondrana fiainana ho an’ny manodidina antsika, satria ny Tenin’Andriamanitra no AINA ho an’izay mahazo azy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra . Izany no mahatonga antsika hiray tanjona amin’Andriamanitra .

Fanontaniana:

Inona avy no atao hampaharitra antsika amin’ny Teny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM