LIOKA 19.11-28
Ilay mpanjaka miavaka
Fanoharana ny amin’ireo mpanompo namena farantsa no nataon’i Jesoa ho an’ireo olona izay mihevitra fa handray ny fanjakana Izy rehefa tonga any Jerosalema.
1-Mamantatra ny asan’ny mpanompony
Ny andriandahy dia olona ambony , taranaka andriana tonga mpanjaka rehefa mahazo fankatoavana .Mialohan’ny nandehanany haka fahefana dia nanome farantsa ho an’ny mpanompony izy .Tsy navahany fa samy nomeny araka ny fahafantarany ny tsirairay.Farantsa tsy hotehirizina fa hampiasaina .Nomena fotoana hahafahana miasa ny tsirairay ka rehefa miverina izy dia hamantatra ny vokatry ny asany .Tsarovy fa nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana ianao ,nomen’Andriamanitra fotoana ianao .Mbola ho avy ny Tompo hamantatra ny asanao Izy .
2-Manome fanjakana ho an’izay mahatoky
Rehefa tonga ilay andriandahy ,nanjaka teo amin’ny olony dia nanadina ny amin’izay nampiasan’ireto mpanompo ny farantsa nomena ny tsirairay .Niseho ny toetran’ny tsirairay: ireo tena niasa sy namokatra dia nomena valisoa, nitokisana ka nomena tanàna mba hanjakana ,nomena fahefana hanapaka sy hanjaka miaraka aminy .Fa ireo tsy namokatra kosa dia ho very na izay kely mba nomena azy aza.Tsarovy fa Ilay Andriamanitra Tompon’ny fanjakana rehetra dia matoky ka hampitombo anao amin’ny anjara fanompoana Azy rehefa mitoetra ho mahatoky ka manao tsara izay asa nanendreny ianao .
Fanontaniana :
Hainao ve ny mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM