Filemona 1-7

Tsikaritra amin’ny fomba fanoratr’i Paoly eto fa i Filemona dia:

1- Mpiara-miasa mahafatra-po (and. 1)

« Filemona ilay malalanay sy mpiara -miasa aminay no filazan’i Paoly azy, izany hoe: tena mpiara-miasa mahafatra-po tokoa i Filemona ka tian’ny hafa ny miara-miasa aminy. Tso-po sady tsy sarotra iaraha-miasa. Ny dikan’ny anarany rahateo dia hoe « ilay manoroka » ary mifanaraka amin’ny toetrany indrindra! lanao koa meteza ho namana akaikin’ny mpiara- manompo aminao ka mba ho « malalan’izy ireo »! Mianara amin’i Jesoa. fa rehefa tsy teo Izy dia nahatsiaro ho banga tanteraka ny mpianany.

2- Be fitiavana sady manam-pinoana (and 5)

Hoy i Paoly hoe: « satria reko my fitiavanao sy ny finoana izay anananao… ». Ao anatin’izany no hahatakarantsika fa mahafaly an’i Paoly (izay any am-ponja) ny fandrenesana ny toetran’i Filemona ary tena mampisaotra an’Andriamanitra mihitsy izany! lanao koa, aoka ho feno fitiavana mba hahay hitia ny mpiara-manompo fa nandidian’i Jesoa antsika rahateo anie ny hifankatiavantsika tahaka ny nitiavany antsika e! (Jao. 13, 34).

3- Azo antenaina (and 7a)

« Fa nanana fifaliana sy fiononana amin’ny fitiavanao aho satria efa novelombelominao ny fon’ny olona masina ry rahalahy ». Tsy fitiavana sy finoana « teorika » ny an’i Filemona fa niseho tamin’ny asa ary izany no nahatonga an’i Paoly sahy manoratra aminy hifona ho an’i Onesimosy mpanompony teo aloha, sy mba handraisany azy indray .

Fanontaniana:

Toetra manao ahoana re no azo tanisaina momba anao e?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM