JAONA 12.12-19

Ny fiakaran’i Jesoa tao Jerosalema no tantaraina eto. Enina andro talohan’ny Paska no nankany Betania Izy ,ary ny ampitson’iny dia nikasa hankany Jerosalema .Io fiakaran’i Jesoa io dia :

1-Niteraka fihobiana nakotrokotroka ho an’i Jesoa (and13)

Nahare ny vahoaka fa hankany Jerosalema i Jesoa .Nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny sampandrofia izany.Misy voambolana maro nampiasain’ny mpanoratra teto hanehoana izany . « Hosana ...! izay midika hoe: « Ataovy mpandresy izahay » no nampiasaina satria i Jesoa dia noraisin’izy ireo toy ny mpanafaka azy amin’ny gejan’ny Romana.Isaorana anie izay avy amin’ny Anaran’i Jehovah …izay anambaran’izy ireo ny maha- irak’Andriamanitra an’i Jesoa Kristy hitondra fanavotana ho azy .Ataovy makotrokotroka tahaka izany koa ny fandraisanao an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao , ary asehoy amin’ny alalan’ny fihetsika izany . Ohatra : fihobiana , mba handraisanao ny famonjena entiny ho anao.

2-Mahatanteraka ny Soratra Masina (and14-15)

Nitaingina zana-boriky iJesoa fa tsy soavaly .Midika izany fa tsy ho amin’ny ady na herisetra mihitsy no nahatongavany . I Jesoa mantsy dia tena Mpanjaka , araka ny and 15 ny amin’ny Zakaria 9.9 « Mpanjakanao ». Noho izany dia tsy azon’ iza na iza baikoina izy .Saika nalain’ny Galiliana an-keriny i Jesoa hataony mpanjaka , kanefa tsy azony (Jao 6.15) .Tanteraka tokoa izay voalazan’ny Mpaminany , satria i Jesoa Kristy mihitsy no ilay teny tonga nofo . Izy tonga voavono mba hamonjy ny zanak’olombelona . Ary izany fahatanterahan’ny Soratra masina izany dia tsy fantatry ny mpianatra raha tsy taorian’ny fihobiana .Sarobidy tokoa ny Tenin’Andriamanitra , izay tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy dia meteza àry ianao hanaiky sy hanaraka izany .

Fanontaniana:

Mba manam-potoana voatokana hankalazana ny Tompo Jesoa ve ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM