ESTERA 4.1-5

Ny fisaonana notarihan’i Mordekay

Rehefa fantatr’i Mordekay ny fisian’ny teti-dratsy handripahana ny Jiosy dia nandriatra ny fitafiany izy , ary nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona .Fanaon’ny firenena tatsinanana ny mitafy lamba fisaonana tahaka izany . Ny lamba fisaonana voalaza eto dia lamba mainty malailay be mihitsy ary natao tamin’ny volon’osy na volon-drameva .Nampiasaina tamin’ny fisaonana ny maty izany sady nampiasaina koa hanambarana ny fiaiken’ny firenena (na olona tsirairay) ny fahadisoany sady mariky ny fibebahany tamin’ny fahotany raha nisy zavatra manjo ny firenena na nahiana hihatra ,tahaka ny hita eto (jereo koa 1 Mpanj 21.27/Neh 9.1). Isika Malagasy koa dia isan’ny firenena tatsinanana ary fanao ihany ny mitafy lamba fisaonana rehefa misy maty .Fa amin’ny tranga hafa , tahaka ny voalaza eto dia tsy manao izany ny Malagasy .Manoloana ny zavatra misy eo amin’ny fiaraha -monina toy ny aretina , ny tsy fandriampahalemana , ny fisondrotan’ny vidim-piainana izay miteraka fahantrana lalina eo amin’ny olona maro izay heverina fa vokatry ny hadalana sy ny faharatsian’ny olombelona dia tokony hitafy lamba fisaonana ka hifona sy hibebaka ary hangataham-pamonjena amin’Andriamanitra ny olona . Tokony hosain’ny Malagasy , indrindra fa ny kristiana izany , nefa aoka tsy hatao amin’ny endrika ivelany fotsiny .Mariho koa fa nitaraina synidradradradra mafy i Mordekay ary na dia nampanateran’i Estera vadin’ny mpanjaka lamba hotafiany aza izy dia nandà tsy nety hitafy izany fa ny haneho ny alahelony sy ny fitalahoany amin’Andriamanitra no zava-dehibe taminy ary notaominy hanao izany koa ny Jiosy .

Fanontaniana:

Inona no tokony hataon’ny kristiana manoloana ny zava-manjo ny firenena ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM