Matio 20 : 17 – 19

Tsy maintsy atolotra ho faty ny Zanakolona
Ity andinin-tSoratra Masina ity dia ataon’ny mpahay Baiboly hoe « ny filazana ny hampijaliana sy hamonoana an’i Jesoa ». Efa fanintelony amin’ity izany filazana izany. Izany hoe tsy notamohina mihitsy ny mpianatra fa efa nampiomanina mialoha ny amin’izay hiseho any aoriana. Raha ampitahaina amin’ny filazana roa teo aloha ity hita fa feno ary milaza ny antsipirihin-javatra hitranga rehetra. Haseho eto mantsy ny asan’ny fahavalon’ny fivavahana sy ny fahavalon’Andriamanitra amin’izany. Ny fanesoana Azy, ny fikapohana Azy, ary ny fanombohana Azy ho amin’ny hazo fijaliana ka hamonoana Azy mihitsy.
Hitsangana indray anefa ny zanakolona
Iorenan’ny finoana kristiana ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, koa izay tena kristiana marina dia tsy azo hozongozonina amin’izany finoany izany. Ankalazain’ny Fiangonana sy tsarovany mandrakariva amin’ny alalan’ny paka kristiana izany fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izany. Fahatsiarovana ny fandreseny ny fahafatesana izany voalohany indrindra satria io no fototry fahaveloman’ny mpino indray. Hatramin’izao anefa dia mbola mandeha hatrany ny fotokevitra fandreirebena eny hatramin’ny mpino aza dia ampanekena hoe tsy misy velively izany fitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty izany (Mat 28 : 15)
Fanontaniana:
Manaiky ho isan’ny mpianatra nilazana ve ianao ka isan’ny mino fa novonoina i Jesoa ary nitsangana indray?