Lioka 18.9-14
Ny toe-po hifandraisana amin’ Andriamanitra
Fomba nentin’ilay Fariseo sy ilay mpamory hetra nivavaka tamin’ Andriamanitra no asehon’ny Soratra Masina ho antsika amin’ity anio ity. Hita taratra eto ny toe-po mendrika ankasitrahan’Andriamanitra raha mivavaka.
1- Tandremo ny fanamarinan-tena
Niavaka ny tonom-bavaka nataon’ilay Fariseo, nisaotra an’Andriamanitra ihany tokoa izy kanefa nitsara ny hafa, nitanisa izay heveriny fa fahotan’ny hafa; nanamarina ny tenany sady nitanisa ny ezaka nataony ho amin’ny fanarahany ny fombam-pivavahana fanaony. Tsy nankasitrahan’i Jesoa Kristy izany tonom-bavaka nataony izany. Tandremo ny toe-po entina mifandray amin’ Andriamanitra. Mahalala ny fiainanao Izy, tsarovy fa Izy irery ihany no manamarina na manameloka ny olona mifandray Aminy. Aza maika hitsara ny namanao.
2- Mahaiza miaiky fa mpanota
Niavaka ny toe-po nentin’ilay mpamory hetra nivavaka tamin’ Andriamanitra. Nosokajian’ny Jiosy fa mpanota izy ireo noho ny asa fanaony: mpamory hetra, mangalatra sady miray saina amin’ny mpanjanantany romana. Tsy nanafina ny maha mpanota azy tokoa izy rehefa nivavaka tamin’Andriamanitra, mpanota miaiky fa diso, ka mangataka ny famindrampon’ Andriamanitra. Nankasitraka ny toe-pony tokoa i Jesoa Kristy, azony ny valim-bavaka avy tamin’ Andriamanitra. Ny fanekena fa mpanota, ny fanetren-tena no ahitana ny famindrampon’ Andriamanitra.
Fanontaniana:
Manao ahoana ny toe-pon’ny olona miaina amin’ny fanetre-tena?
Sampana Sekoly Alahady Foibe