Apokalypsy 21.22-27
Jerosalema vaovao
Voalazan’ny Soratra Masina fa tsy maintsy ho levona izao tontolo izao ankehitriny ka hisolo vaovao. Ny momba io lanitra vaovao sy tany vaovao na « Jerosalema vaovao » io no ambaran’i Jaona eto, araka izay nanehoan’ny Tompo azy tamin’i Jaona Apostoly:
1- Ny Tsitoha sy ny Zanak’ondry no tempoliny (and.22)
Ny tempoly tao Jerosalema dia ninoana fa mpanalalana ny olona amin’Andriamanitra, ka tao no nivavahan’ny olona. Ary mba toy izany koa ny fiheveran’ny maro ny tempoly mandraka ankehitriny. Mety tsy ho marina tanteraka anefa izany, raha tsy ampanjakaina sy atao ho zava-dehibe ao amin’ny fanompoam- pivavahana ny Tenin’Andriamanitra. Fa ao amin’ity Jerosalema vaovao ity kosa dia voalaza eto fa tsy hisy tempoly tahaka ny fahita tamin’ny lanitra voalohany sy tany voalohany intsony. Andriamanitra sy Jesoa Kristy no misolo toerana ny Tempoly. Manambara izany fa tsy ny tempoly, na ny trano fivavahana no zava-dehibe fa ny fahafenoan’ny fanatrehan’Andriamanitra, ary ny olona rehetra dia ho afaka hifandray mivantana Aminy.
2- Hamirapiratan’ny voninahitrAndriamanitra.
Ny lanitra sy ny tany teo aloha dia ahitana ny hazavan’ny masoandro sy ny volana aman-kintana. Ary satria ho levona avokoa izany rehetra izany dia ny voninahitr’Andriamanitra sy Jesoa Kristy « fahazavana » kosa no fanazavana hanenika ny tanàna sy ireo rehetra izay nandray fitahiana ka tafiditra ao (and.23). Ny firenena izay manaiky an’Andriamanitra ho hany Tompo tokana, no ho tafiditra ao Jerosalema vaovao, ka hanome voninahitra an’Andriamanitra satria efa voadion’ny ràn’ny Zanakondry (and.24, 26). Fa tsy ho tafiditra any mihitsy ny ratsy mbamin’ ny tsy fahamasinana sy ny fahavetavetana ary ny lainga (and.27) .
Fanontaniana:
Manoloana izany, inona no fiomanana tokony hatao dieny izao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM