ISAIA 43.10-13

Mijoro ho vavolombelon’ny Tompo ny mino

1-Ka maneho ny maha-Izy Azy

Ambaran’i Jehovah fa ireto vahoakany any am-pahababoana ireto no vavolombelon’ny fisiany sy ny heriny ary ny asany satria nafoiny ho any amin’ny tanin’olon-kafa , noho ny tsy fihainoana ny fananarany nentin’ireo mpaminaniny .Izao koa mbola asaina mijoro ho vavolombelona noho ny maha-Izy azy , satria ny nahafantaran’ireo vahoaka ireo azy hatramin’izay dia hoe: « Izaho izay izy hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay« (Eks 3.14). Noho izany , efa tokony ho fantany fa tsy nisy niandohany i Jehovah fa efa nisy hatramin’ny ela ary izany mihitsy no maha-Izy Azy izay tokony ho reharehan’ny mpanompony ary tokony hijoroany ho vavolombelona .Ry havana , manana ny maha-Izy Azy ny Tompontsika ka tokony hasehontsika amin’ny olona izany mba hinoan’ny olona A zy .

2-Ka maneho ny fahefany (and12,13)

Noheverin’ireo firenena hafa sy ireo vahoakan’ny Joda fa tsy manana fahefana any amin’ny tany nahababoana i Jehovah ary resy koa . Asehony eto fa tsy hoe resy tsy akory Izy ary hiasa . Manana fahefana amin’ny tany rehetra ary amin’ny lafiny rehetra ny Tompontsika ka isika no tokony hanaiky hijoro ho vavolombelona haneho sy hanambara izany . Jesoa Kristy dia manana ny fahefana rehetra any an-danitra sy ambonin’ny tany . Hoy Izy ao amin’ny Matio 28.18 : « Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany « . Manana isika manana Azy ho Tompo ary Izy no reharehantsika .

Fanontaniana :

Ahoana no handraisantsika izany hoe : Tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ny Tompontsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM