(Sal 84,1-7 / Hira 167 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 687)
1 Tantara 28. 20-21
Ny tsodranon’i Davida tamin’i Solomona
1. Jehovah Andriamanitra momba anao (and 20)
Teny fanomezana andraikitra an’i Solomona ny tenin’i Davida Mpanjaka, izay mpitarika mandray faneva na mandray fanompoana avy amin’ny Tompo (jereo Jos 1.6;7;9;17). Tsy maintsy ho tratra ny tanjona sy ny zava-kendrena, dia ny fahavitan’ny Tempoly. Miantoka ny fahavitan’ny asa ny tsodrano sy ny fampaherezana. Manala ny tahotra ny fahavalo sy ny sakana ary ny ratsy fanahy ny tsodranon’ny Tompo. Tompon’antoka ny Tompo, hatramin’ny fahavitan’ny asa fananganana (and 20). I Jehovah mitoetra ao Jerosalema, ao amin’ny Tempoly fanatrehan’ny Tompo ny olony no tanjona. Fantaro hatrany ny sitrapon’ Andriamanitra eo amin’ny andraikitra omena sy raisintsika fa tsy maintsy ho tanteraka izany, rehefa matoky Azy isika. I Jehovah sy ny olony ho eo amin’ny fitoerana iray, no sitrapon’ny Tompo, dia i Jerosalema sy ny Tempoly.
2. Manampy ny mpanompon’Andriamanitra
Manolotra ireo vahoakany hiombona fanompoana amin’i Solomona mpanjaka i Davida rainy. Tendrena ireo mpiandraikitra ny fanompoam-pivavahana: ny mpisorona sy ny Levita. Tahaka izany koa ireo olon-kendry (Eks 36.2) hanao ny asa fanamboarana; ireo olona manolo-tena hahavita ny fanompoana ilaina rehetra. Ambara eto izany fa ny Fiangonana na ny vahoakan’ Andriamanitra rehetra dia vonona hankato ny didy momba ny fanompoana ny Tompo. Manodidina ny fananganana ny Tempolin’i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoaka mba hahatanteraka ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely. Ao ampovoan’ny Fiangonany sy ny fireneny ny Tompo, amin’ny fitsanganan’ny Tempoly. Tsy avelan’ny Tompo hiasa irery ny mpitarika fa tsy maintsy miaraka amin’ny olony sy ny vahoakany. Mariky ny tsy fahombiazana ny fiasana irery.
Fanontaniana :
Ankehiriny inona no marika fa eo amintsika ny Tompo?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires