Jaona 11. 32-46
1- Manana fahefana handresy ny fahafatesana ny Tompo (and. 43-44)

Olombelona tapi-pahaizana sy manana fahalalana maro teto amin’izao tontolo izao no efa nikaroka ny fanafodin’ny fahafatesana fa niala maina. Manaiky ny heriny ary mangina eo anatrehan’ny hetraketrany na dia tafintohina mafy aza Teto anefa nisy Iray naningana nandresy azy. Tsy izany fa i Jesoa Kristy izay nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty Fandresena miezinezina! Laza sy voninahitra tsy misy ohatran’ izany no an’ity lehilahy zanak’Andriamanitra ity. Hatrizay ka hatrizao dia manampatra fahefana mihintsy rafahafatesana, saingy eto kosa izy dia tankina tsy mahaloa-peo satria Jesoa no maneho ny fahefany aminy. Hoy Jesoa: « Izaho no fananganana ny maty sy fiainana izay mino ahy na dia maty aza dia ho velona indray » (and. 25)
2- Manana fahefana handresy ny fankahalana ho fitiavana ny Tompo (and. 45)

Raha tsiahivina dia mbola narary Lazarosy no efa nantsoina ho any Jesoa hanasitrana saingy tsy nankany Izy satria izay no sitrapon Andriamanitra. Sitraky ny Ray mantsy ny haneho ny voninahitra amin’i Jesoa eo anatrehan’ireo Jiosy maro tao Betania izay nankahala azy ka saika hitora-bato azy (And. 8). Nampihariharihan’ Andriamanitra Ray an’ireto Jiosy ireto fa lehilahy mahery avy amin Andriamanitra i Jesoa. Rehefa nahita an’i Lazarosy natsangan’i Jesoa tamin’ny maty àry ireo jiosy dia nino an’i Jesoa ny ankamaroany. Ilay fankahalana teo nivadika ho fitiavana an’Andriamanitra rehefa nahita ny heriny.
Fanontaniana :
Mba fantatrao ve fa hain’ny Tompo ny manova ny fo mankahala ao amin’ny fahavalonao ho tonga fitiavana?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM