JEREMIA 44.24-30

Mamaly ny faharatsiana na aiza na aiza ny Tompo

1-Arahiny na aiza na aiza mpanompony

Hoy ny voasoratra : « Ary hoy koa Jeremia tamin’ny olona rehetra sy tamin’ny vehivavy rehetra .Mihainoa ny tenin’i Jehovah , ry Joda rehetra ,izay aty amin’ny tany Egypta » (Jer 44.24). Efa nanambara Andriamanitra fa Andriamanitry ny akaiky sy ny lavitra Izy , manerana izao rehetra izao , ary mijery ny olona rehetra ety ambany masoandro .Misy tokoa isika mihevitra fa rehefa ivelan’ny tranon’Andriamanitra dia afaka manao zavatra tsy mifanaraka amin’ny sitrapony . Fa na aiza isika na aiza dia tokony ho vavolombelon’ny Tompo amin’izay ataontsika avy . Tsarovy ny teniny na aiza na aiza misy anao .

2-Samy eo anatrehany avy isika rehetra

Manafay sy manasazy izay mafy izay mafy sofina sy mafy fo tsy mety hihaino Azy Andriamanitra . Ary tsy ho an’ny olona tao Jerosalema ihany fa niantefa tamin’ny olony tany an-tany hafa izany . Tsy voafaritry ny toerana ny fahefan’Andriamanitra ary tokony ho tahaka izany koa ny fanatanterahana ny sitrapony . Fa maro isika no manao trandraka an-tany mena ka manaraka volontany ary manaraka ny ratsy ataon’ny tany onenantsika .Ireny no kristiana tanalahy ka mifangaro loko amin’ny faharatsiana misy eo amin’ny fiaraha-monina misy azy . Isika no hitenenan’ny Tompo anio .

Fanontaniana :

Moa misy toerana tsy eo anatrehan’Andriamanitra va?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM