ASAN’NY APOSTOLY 24.10-23

Ny vavolombelon’i Jesoa Kristy

1- Manazava hevitra am-panajana

« Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ity firenena ity ka dia faly aho handahan-teny hanala tsiny ny tenako » (and10).Niatrika tamim-pahatoniana ny olombelona mpitsara i Paoly .Tsy nitratrevatreva fa nanazava hevitra am-panajana teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina .Tsy izay mivazavaza sy be fihetsiketsehana no atao hoe : mahay mitory teny fa izay mahatafita hafatra am-pahendrena .

2-Mitory ny fitsanganan’ny maty

« Fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka » (and15) .Nifantoka tsara tamin’ny asa fitoriana i Paoly ary vao mainka narovany tsara ny foto-kevitra izay hiampangana azy momba ny fitsaran’ny lanitra .Sahia mijoro amin’ny fampianarana nomena anao fa aza mora miova hevitra rehefa manoloana ny olombelona na iza na iza .Ambarao hatrany ny marina .

3-Mikely aina hatrany

« Mikely aina koa aho » (and16) . Ataon’i Paoly ho zava-dehibe ny fitandroana hatrany ny Voninahitr’Andriamanitra .Tsy manamaivana ny velively ny fifandraisana aman’ olona ihany koa anefa izy .Amin’i Paoly dia sady fanatitra no fiantrana ho an’ny fireneny io fijoroany vavolombelona io .

4-Mahazo fandresena

« ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny » (and10b) .Tsy ny fiahiana ny ara-nofo no hibahan-toerana mialoha amin’ny mpanompon’ny Tompo .Rehefa atao lohalaharana ny Tompo dia Izy no miahy sy mikarakara ny mpanompony .

Fanontaniana:

Hazavao fa mananjara tokoa ny mpanompon’ny Tompo

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM