1 SAMOELA 2.1-10

I Hana dia vehivavy tsy niteraka .Nahery nivavaka tamin’i Jehovah izy ary nahazo valim-bavaka ka nanefa voady ary nanao vavaka fisaorana .Nambarany mazava fa :
Ilay Andriamanitra mahery dia :
1-Masina indrindra
« Tsy misy masina tahaka an’i Jehovah « (and 2) .Andriamanitra irery no masina .Tsy misy tahaka azy .Didiany ho masina ihany koa ny mpanompony . »Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo , satria masina Aho , hoy i Jehovah « (Lev 20.26) .Voatokana ho an’ny Tompo isika .
2-Andriamanitry ny fahalalana
« Fa Jehovah no Andriamanitry ny fahalalana » (and3d).Izy no nahary antsika .Izy no mahafantatra ny antsipirihany amin’ireo singa mandrafitra ny tenantsika hatramin’ny bitika indrindra .Any aminy ny vaha-olana.
3-Mampitsangana
« Izy no mampidina ho any amin’ny fiainan-tsy hita ary mampitsangana » (and6) .Fahefan’ny Tompo ny fanapahan-kevitra momba ny ho avin’ny olona , na ho amin’ny fahaverezana , na ho amin’ny famonjena .Raisin’iHana ho toy ny fananganana ny fanomezana taranaka azy na dia efa nanana olana mifanandrify amin’izany aza .
4-Mampanankarena
Samy manana izay heveriny ho harena ny tsirairay .Ho an’iHana dia ny fiatrehana ny rafiny noho ny tsy fananana zanaka no mampahory azy . Rehefa novahan’Andriamanitra io olany io dia nijoro vavolombelona izy fa » Jehovah no mampalahelo sy mampanan-karena » (and7). Ny fitahian’Andriamanitra no mampanan-karena (Oha 10.22)
Fanontaniana :
Tanisao izay fantatrao fa mampiavaka ny Tompontsika
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM