HEBREO 7.20-28

Jesoa Kristy Mpisorona

1-Maharitra mandrakizay

« fa Izy kosa dia manana fisoronana tsy dimbiasana , satria maharitra mandrakizay Izy » (and24)

Tany amin’ny fanekena taloha , dia maro ireo mpisorona nifandimby nanao ny asa fisoronana tao amin’ny Tempoly .Anisan’ny antony lehibe mahatonga izany fifandimbiasana eo amin’ny fanaovana ny asa fisoronana izany ny fahafatesana .Tsy mba toy izany anefa i Jesoa Kristy , tsy azo dimbiasana ny asa fisoronana nataony satria velona mandrakizay Izy . Ary ny fahaveloman’i Jesoa Kristy sy ny fiakarany any an-danitra , mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra no hahafahany manohy hatrany ny asa fisoronana , satria mifona ho antsika isanandro Izy .ary izany no mahatonga antsika rehefa mivavaka dia hatao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy .

2-Miavaka

« …dia izay masina , tsy misy tsiny , tsy misy loto , voasaraka amin’ny mpanota ka natao avo noho ny lanitra  » (and26)

Miavaka amin’ny mpisorona rehetra i Jesoa Kristy , satria tsy voampentipentin’ny ota sy ny fahotana . Masina sady tsy manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra , satria tsy mpanota sady tsy nanota , na dia niara-nonina sy nifanerasera tamin’ny mpanota , eny tonga hamonjy ny mpanota .Marihana tsara mantsy fa ny dikan’ny « voasaraka amin’ny mpanota » ,tsy nandroaka ny mpanota akory fa tsy nanao ny fanaon’ny mpanota. Ary izany no nahatonga Azy voalaza eto fa »Mpisoronabe tahaka izao no miendrika ho antsika » , satria Izy no mahavonjy antsika . Jesoa Kristy irery ihany no mpamonjy , satria Izy irery ihany no mendrika izany . Koa raiso sy ekeo ary iaino ny famonjena nentiny ho anao .

Fanontaniana:

Ahoana ny fomba iainanao ny famonjen’i kristy ? Ary inona no mety ho antony tsy ahafahanao mihazona izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM