Deoteronomia.6:1-9
I- Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao and.5-6
– Tiava Azy amin’ny fonao rehetra. Ny fo dia milaza ny maha-olona. Milaza ny fototra eo amin’ny fiainana. Ny fo no enti-mitia, enti-mino, ary milina mampihodina ny rà mba hahavelona. Milaza ny fahizian’ny olona ny fo na alahelo, na hafaliana, na finiavana, na zotom-po.Izany rehetra izany no aoka hafantokao hitiavanao an’Andriamanitra. Aoka tsy ho ampahan’ny fonao ihany no hitiavanao Azy fa hameno tanteraka ny fonao izany.
– Tiava Azy amin’ny fanahinao rehetra. Ny fanahy « NEPHESH »= âme, la vie, l’être intérieur, la souffle. Milaza aina, sy fahavelomana, fofonaina mahavelona. Ny fitiavana an’Andriamanitra dia aina no fetra, ary atao amin-kery rehetra. Aza mitsitsy aina amin’ny fanompoana Azy ianao satria velon-kabompo sy velon-kanoa Azy no antom-pisinao.
– Tiava Azy amin’ny herinao rehetra. Ny teny hebreo « MEHOD »= extrêmement, beaucoup, puissance, force, abondance, à un haut degré. Ny fitiavanao an’Andriamanitra dia ataovy faratampon’ny herinao, ataovy amin’ny hery be dia be, ataovy ambaratongan-kery faratampony.Aza mitandro aina na hery amin’ny asan’ny Tompo ianao. Ny kristiana mahafoy ny ainy noho ny amin’ny Tompo no kristiana tena izy.
II- Beazo amin’ny fitiavana an’Andriamanitra ny zanakao and.7-9
Ny fomba fampitana ny tenin’Andriamanitra eto dia misy maromaro
1- Resaho: Tsy « cours magistral », tsy moraly mahery vaika fa resaka fifanakalozana (entretien). Izany dia mandrakotra fotoana maro: resaho na ao an-trano na mandeha, na mandry na mifoha. Izany hoe :atao fiainanao mihitsy ny firesahana ny tenin’Andriamanitra amin’ny zanakao, ary amin’ny fotoana rehetra no iresahanao izany Aminy.
2- Fehezo ho famantarana (and.8) . Eo amin’ny tànana sy eo amin’ny handrina. Izany hoe : raiketo ao amin’ny sain’ny zanakao izany. Ny filakitera dia nafehy teo amin’ny handrina mba hitsaroana hatrany ny didin’i Jehovah. Eo amin’ny tànana mba tsy hanaotao foana ny tànana. Saino mandrakariva àry ny tenin’Andriamanitra ary mitandrema amin’ny izay ataonao rehetra mba hanaovanao araka ny sitrapony.
3- Soraty eo amin’ny tolambaravarana.Izany hoe :ho vakiana na miditra na mivoaka. Ny tenin’Andriamanitra no fitsipika mifehy ny tokantranonao. Io no fenitra ho anao sy ny ankohonanao.Raiso ireo ka ampiharo sy tanteraho eo amin’ny fiainanao. Amena.
P. Ramamonjiarisoa Robert