Mitàna ny Teniny ny Tompo
Nomery 23 : 16 – 24
Ny tantaran’i Balama sy Balaka mpanjaka no ao amin’ny Nomery 22 – 24, misy faminaniana in-efatra miantaona nataon’i Balama ao, ary ity perikopantsika anio ity dia tafiditra ao amin’ny faminaniana faharoa nataony. Misongadina eto fa ny mpaminany tena avy amin’i Jehovah dia:
1. Tsy milaza afa-tsy izay asaina ambarany
Mazava mihitsy eto fa Jehovah « nanisy teny » (and. 16) teo ambavan’i Balama vao naniraka hoe : « izany no holazainao », azo takarina avy amin’izany fa ny tena mpaminany nirahin’Andriamanitra marina dia mampita ny Tenin’Andriamanitra, tsy hanampiana ary tsy analana. Ary toy izany koa i Jesoa, izay nasain’ny Tompo ambara sy atao ihany no nataony ka nahasahiany nilaza hoe : « Vita » (Jao. 19 : 30). Mitandrema ary tsy ho voatafika fa maro amin’izao vaninandro izao no milaza ho mpaminany kanefa mitory fa tsy mitoriteny!2. Tsy mpitady tombontsoa
Tsy afa-po tamin’ny tsodrano nataon’i Balama ho an’ny Israely i Balaka, satria ny hanozona ireo no notadiaviny ka nilany an’i Balama, fa mitana ny Teniny ny Tompo: tso-drano no omena ny Israely fa tsy fanozonana araka izay tian’i Balaka. Notambazana homena « Voninahitra » i Balama mba hanao izay tadiavin’i Balaka fa tsy namidiny ny hafatra manokana, na dia im-betsaka aza no nisisika i Balaka. Tsarovy ary fa izay tena avy amin’Andriamanitra tokoa dia tsy mpitady tombontsoa na mpanao kajikajy hahazoam-bola aman-karena sy voninahitra ary laza ka misehoseho etsy sy eroa sy milaza izay tian’ny olona ho re fotsiny hakana ny fony mba hampisokatra ny poketrany!