Apokalypsy 3, 14-22
Jesoa Kristy Mpamonjy
1 – Azo antoka
« Izao no lazain’ny Amen » (and. 14b) : Azo adika hoe azo antoka, voamarina tsara, mitombina tsara, azo ianteherana tanteraka, ny teny hoe « Amen ». Jesoa Kristy no nahatanteraka ny teny fikasan’Andriamanitra rehetra. Azo iankinana sy ianteherana Izy.
2 – Vavolombelona mahatoky sy marina
Ny vavolombelona dia sady mijoro manambara ny zava-misy hitany, niainany, natrehany, no sahy maty mijoro amin’izany fahamarinana izany na dia haningotra ny ainy aza. Niainan’i Jesoa ara-bakiteny ny maha Martiora Azy.
3 – Harena tsy mamitaka
« Manoro hevitra anao aho…mba hanankarena ianao » (and. 18) : Nihevi-tena ho mpanan-karena sy efa nihary fananana be ny mpino tao Laodikia, nitondra fanitsiana mazava manoloana izany i Jesoa. Tandremo ny fianteherana amin’ny harena tsy mateza, mora lo, tsy azo anankinana ny fo. Tandremo sao ny vola aman-karena no ianteheranao. Jesoa no tena Harena tsy mamitaka.
4 – Mitantana amin’ny fandresena miezinezina :
« Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin’ny seza fiandrianako… » (and. 21) : Foin’i Jesoa handova ny fiainana mandrakizay isika. Tia anao Izy ka mananatra, mitaona anao hibebaka, mialoha izany. Araraoty ary ny fotoana ahatsapanao fa mandondona ao am-ponao ny Tompo. Ampandrosoy Izy ary avelao hanjaka.
Fanontaniana :
Inona no tena harena maharitra sady tsy mamitaka araka ny fahafantaranao azy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM