Filipiana 4. 4 – 9


Mandra-pahatongan’ny fiavian’ny Tompo:


1-Dia mila manana saina mitony (and 4,6,7)
Asaina mifaly sy tsy hanahy na inona na inona ny Kristiana, satria izany ihany no hitan’i Paoly Apostoly ho vahaolana mahomby indrindra hiatrehana ny zava-manahirana eo amin’ ny fiainana. Ny mifaly dia fanehoana fankasitrahana izay zavatra miseho rehetra.
Ry havana, izany koa no tokony hataontsika: manaiky am-pifaliana izay zavatra nmiseho na inona na inona; na toa mampahatahotra aza dia tsy atao mibahana ao an-tsaina, fa resena amin’ny anaran’i Jesoa Ilay nandresy ny fahafatesana ny fahavalo rehetra.
2-Dia isitraho ny fahasoavan’Andriamanitra efa ao aminao (and 8,9)
Paoly Apostoly dia te hanokatra ny masom-panahin’ny Kristiana tao Filipia mba hahatsapany sy hiainany ny fahasoavan’Andriamanitra. Hoy izy « hevero izany » izay azo adika hoe : saino,diniho, fantaro ary ankasitraho an’ Andriamanitra. Tsy hitan’izao tontolo izao ny fahasoavan’ Andriamanitra, fa ny olona mino
ihany no mahalala izany. Ry havana, ny fanjakan’Andriamanitra dia toy ny harena nafenina araka izay ambaran’i Jesoa ao amin ny Matio 13. 44. Izay mahita azy dia mivaro-pananana mba hahazoana azy, izany hoe mahafoy izay mety ho fananana eto an-tany. Noho izany, ny asa fanompoana izay ataontsika kristiana dia tsy mahabotry antsika tahaka ny an’ny mpanompo sampy mampahantra velona. Ny fanompoantsika an’i Jesoa Kristy dia andraisantsika fahasoavana.
Fanontaniana:
Efa fantatrao hatramin ‘ny ela ve fa mivelona amin ‘ny fahasoavany ianao amin ‘ny maha olony anao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM