SALAMO 106.1-12
Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
Ity Salamo ity dia fiderana an’Andriamanitra ,Ilay mpanao asa lehibe izay mampitolagaga izao tontolo izao . Tsaroana eto ny fotoana izay naha-teo amoron-dranomasina mena ny Zanak’Israely raha vao nivoaka tany Egypta. Maneho fifonana amin’Andriamanitra koa anefa ity salamo ity satria raha vao teo amoron’ny ranomasina mena ny vahoaka dia efa nimonomonona sahady . Na dia izany aza anefa dia novonjeny ihany ireo noho ny anarany . Teo no nahitana ny asa lehibe izay nataon’Andriamanitra ka nitenenany tamin’ny ranomasina mena ka tonga maina ary afaka nandia izany ny vahoaka (and9) .
Ny Tenin’Andriamanitra no namoronany ny natiora ary niteny koa Izy ka nibaiko ny ranomasina mena mba handehanan’ny vahoakany . Isika koa dia afaka hanehoany ny toy izany .Hainy ny mibaiko ny natiora mba hanao ny sitrapony ho antsika . Hoy ny teny ao amin’ny Romana 8.23 « ary fantantsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra dia izay voaantso araka ny fikasany rahateo » .Izy no Mpamorona ireo . Nohariany avokoa ny zavatra rehetra ka manana fahefana hibaiko izany Izy sady Izy irery no Tompon’ny fahefana amin’izao rehetra izao .
Fanontaniana :
Efa noeritreretinao ve teo aloha fa azon’Andriamanitra baikoana ny zavatra rehetra mba hahasoa anao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM