JEREMIA 42.7-12

Fahafahana no iainan’ny vahoakan’Andriamanitra

na dia fehezin’ny mpitondra azy aza ireo (and11,12)

Tsy neken’ny vahoaka Jiosy mihitsy ny hahatongavan’ny mpanjakan’ny Babylona hanapaka azy ireo .Na dia tsy tiany aza izany dia tsy maintsy ho tanteraka satria izany no sitrapon’Andriamanitra .Rehefa hitan’ireo Jiosy fa tanteraka ireo voalazan’i Jeremia avy amin’Andriamanitra dia niezaka nanaraka izy ireo , notapahan’i Gedalia governora napetraky ny fanjakana Babylona tao Joda.Eto i Jeremia dia milaza ny Tenin’i Jehovah ny mba hanekena ny mpitondra ara-panjakana izay ekeny hitondra azy ireo .Araka izany , tsy tokony hatahotra ny mpitondra mifidy azy izy ireo satria io fanjakana Babyloniana io dia fanjakana nofidin’Andriamanitra hifehy mandritra ny fotoana voafetra ka tsy tokony hahatsiaro ho voageja izy ireo , na dia tsy mpitondra araka ny eritreriny aza no mitondra .

Ny fahafahana dia tsy izay eritreretintsika fa izay sitrapon’Andriamanitra . Na dia fehezina mpitondra tsy araky ny eritreretintsika aza isika dia tokony hahatsiaro ho olona afaka foana satria ao Aminy no antoky ny fahafahantsika fa tsy miankina amin’ny mpitondra izay mifehy antsika.Hoy ny voalaza hoe : « Ary izay itoeran’ny fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana  » (Rom 1.17b) .Ao amin’i Jesoa Kristy no misy ny fahafahana ho antsika .

Fanontaniana:

Efa misy fotoana ve ianao diso fanantenana tamin’ny mpitondra izay tsy noeritreretinao ? Ahoana no nataonao tamin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM