2 Tesaloniana 3.6-13
Iaino ny toe-panahy araka an’Andriamanitra Toy ny fiarahamonina rehetra dia misy karazan’olona maro ao anaty Fiangonana. Koa resahin’i Paoly manokana eto ny olona kamo, tsy vonon-kiasa ka tokony ialana. Raha izay voambolana nampiasain’i Paoly dia tonga amin’ny fitenenana malagasy hoe: ialao tahaka ny fasam-bao.
1. Ialao izay tsy mitoetra tsara: (and.6-11)
Ny tsy mitoetra tsara dia olona tsy manaraka ny fampianarana efa nampitaina taminy. Fa eto amin’ity soratr’i Paoly ity dia entiny ilazana ireo mpirenireny foana tsy vonon-kiasa fa nanaraotra ny fahalalaha-tanan’ny Fiangonana ka niantehitra tamin’izany. Hentitra ny voalazany eo amin’ny and. 10 hoe « raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy » ary manampy izany koa ny and.14. Fa ankehitriny dia maro ny olona no miandry fotsiny hoe Andriamanitra ve hamela azy irery? Hany ka tsy miezaka fa miandry fitahiana fotsiny hono
2. Mijoroa ho tena mpanara-dia ny Tompo (and.12-13)
Raha ity ambaran’i Paoly ity no jerena dia mitaona antsika ny Soratra Masina ho vavolombelona eo imason’izao tontolo izao fa mpiasa mazoto sy mailaka ary mahatoky mba hahazoantsika miahy ara-dalåna ny tenantsika sy ny ankohonantsika, manohana ny asan’ Andriamanitra ary mamonjy ny hafa indrindra ny sahirana (Efe 4.28), sady hafatra no mari-pifankatiavana efa nasain’ny Tompo hataontsika rahateo izany. (Jao 13.35)
Fanontaniana:
Inona avy ireo karazana hakamoana miseho eo amin’ny Kristiana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe