Asa 13:44-48

Ny olona afaka hankalaza ny Mpamonjy

1-Mahay mihaino ny Tenin’Andriamanitra

Liana fatratra tamin’ny fihainoana ny Tenin’ Andriamanitra notorian’i Paoly Apostoly ny Jentilisa. Hoy ny voalaza eto: «ary nony tamin ‘ny sabata manaraka»… Midika izany fa tonga nivavaka tao amin’ny Synagoga mba hihaino hatrany ny Tenin’ Andriamanitra ny Jentilisa. Tenin’ Andriamnanitra izay nambaran’i Paoly Apostoly fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no andraisan’ny olona famelan-keloka (and.38). Nahay nihaino, nahay nandray ny Tenin’Andriamanitra ny Jentilisa ka tonga tao amin’ny Synagoga mba hihaino ilay Tenim-pamonjena nefa koa endriky ny fankalazana an’Andriamanitra izany.

2-Mahazo antoka ny fitiavan’Andriamanitra azy

Nialona ny Jiosy, tsy nahay nihaino, tsy nandray ny Tenin’Andriamanitra ka indreo nanohitra ny teny nolazain’i Paoly. nanohitra ny Tenin’Andriamanitra ahazoana ny tena fiainana. Mazava tsara ny hafatra nataon’i Paoly sy Barnabasy ho azy ireo: rehefa tsy mihaino sy mandà ny fiainana omen’Andriamanitra ny Jiosy, dia mitodika any amin’ny Jentilisa ny antso ho amin’ny famonjena (and.46), mifamatotra amin’izany indrindra satria nantsoin’ Andriamanitra hanambara ny famonjena amin’ny Jentilisa izy ireo. Nahazo antoka ny Jentilisa fa nojeren’ Andriamanitra manokana. nomena anjara ho amin’ny fiainana mandrakizay ka nifaly sy nankalaza ny Tenin’ Andriamanitra, nankalaza an’i Jesoa Mpamonjy.

Fanontaniana:

Nahoana no misy olona be fialonana mahita ny fandrosoan ‘ny hafa amin ‘ny finoana sy ny fanompoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM