LIOKA 23.47-53
Fitsanganana amin’ny maty ? Maty aloha vao mitsangana. Ny herin’ny fitsanganan’nyTompo dia niseho tamin’ny fotoanan’ny fisamborana Azy satria :
1-Tsy nahatohitra an’i Jodasy Izy
Mpianatr’i Jesoa koa i Jodasy,saingy namadika tamin’ny fanorohana teo anatrehan’ireo voasambotra Azy . Novakian’i Jesoa bantsilana fotsiny ny hevitra nafeniny tamin’ny fihatsarambelatsihy ,mody nanoroka .Satria efa nolazainy tamin’ireo hisambotra Azy hoe: « izay orohako no izy ».
2-Nandrara ny mpiaro Azy i Jesoa
Nafana fo koa ny mpanaraka an’i Jesoa , ary tena resy lahatra ny hiaro Azy .Ny anankiray aza efa nikapa ny sofin’ny iray tamin’ireo mpanompon’ny mpisorona fa naverin’iJesoa tamin’ny laoniny izany . Azo ambara hoe: efa maty iny sofina niala iny saingy novelomin’i Jesoa indray . Ny hery ananan’i Jesoa amin’ny maha-Andriamanitra Azy dia tsy ananantsika olombelona .
3- Vonona Izy hiatrika ny fisamborana
Efa mifanatrika amin’ny fahavalony izay vonona hisambotra Azy i Jesoa ,dia ny lehiben’ny mpiambina ny Tempoly sy ny loholona izay efa niaraka amin’ny sabatra sy langilangy .Tsy nanohitra i Jesoa fa mampahafantatra ny fahavononany ,na inona na inona hiseho ,indrindra ny fahafatesany noho ny fanekeny ny sitrapon’ny Rainy .
Fanontaniana:
Miaraka amin’i Jesoa ve ianao sa manaraka an’i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM