(Sal 133 / Hira 170 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 295.1-3)
1 Korintiana 16. 5-14
Mampahery ny fahaiza-mandamina
Mandamina ny diany i Paoly Apostoly hahatanteraka ny fitoriana ny Filazantsara any Makedonia, Efesosy, miaraka amin’i Timoty, mpiara-manompo aminy.
1. Fitsidihana ny Fiangonana velona
Ho any Korinto i Paoly aorian’ny fankanesany tany Makedonia.Fikasana hitoetra elaela mba hamita ny asa fitoriana ao (and 7-8). Tahaka izany koa ho any Efesosy, tanana lehibe, sady varavarana misokatra ho an’ny Filazantsara (and 9), na dia misy aza ny mpanohitra. Tsy olana na sakana ny fisian’ireny, fa mainka mampitombo ny herim-po hamonjena ny fanahin’olona. I Timoty. evanjelistra no iraka any Korinto ka mila fanampiana sy fampirisihana avy amin’ny Fiangonana, satria mbola tanora izy. Mbola hamonjy ny tanana izay misy ny Apostoly Paoly izy avy eo. Tsara sady mampahery ny fahaiza-miara-miasa eo amin’ny Fiangonana sy ny mpanompon’ Andriamanitra. Ilain’ny Kristiana ny fitsidihana mirindra sy voalamina mba hampitana fampianarana sy fananarana araka ny Filazantsara.
2. Fiaraha-manompo amin’ny tsy mitovy hevitra
I Apolosy sy i Paoly mpiara-manompo ao amin’i Kristy, izay nisara-kevitra teo aloha. Tsy mijanona amin’ny tsy fitoviam-pijery sy fitsitokotokoana ny asan’ny Tompo (jereo 1 Kor 3). Manaiky ny sitrapony mba hahamatotra ny fandaminam- potoana sy ny asa. Tsy afaka nandeha i Apolosy fa tsy sitrapon’Andriamanitra ny fandehanany (and. 12). Tsara ny miandry ny fotoanan’ Andriamanitra izay lazaina fa andro malalaka eto. Ireto misy hafatra dimy ho fampaherezana: miambena, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hatanjaka, ary mahereza (and.13). Tena ilaina izany mba hiorenan’ny Fiangonana sy ny Kristiana hahatanterahany ny fanompoany.
Fanontaniana :
Araka io Soratra Masina io, toetra manao ahoana no ilaina mba hampiorina sy hampivelatra ny Fiangonana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires