Sal 119.9-16 / Hira150 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 430.1

« Ary ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io noho ny finoana ny anarany; eny, ny finoana izay azo amin’ny alalany no nahazoany izao fahasitranana tsara eto imasonareo rehetra izao. » (and.16)

Finoana mahasitrana no ambara eto. Manao ahoana izany finoana mahasitrana izany?

    I JESOA no « Ilay Masina sy Marina » (and.14), « Tompon’ny aina »(and.15), maty nefa « natsangan Andriamanitra tamin’ny maty »(and. 15). « Ny anarany no nampahatanjaka io lehilahy io », hoy i Petera. Satria mahery ny anaran’i JESOA (Asa 3,6).

    Te ho sitrana ve ianao? Minoa ny Anaran’i JESOA. Ataovy « amin’ny Anaran’i JESOA » hatrany ny vavakao, dia ho hitanao ny heriny (Jao. 14,13-14).

      I JESOA no hizingizinin’i Petera ho fototry ny zavatra rehetra. Izy no loharanon’ilay finoana: « ny finoana avy amin’i JESOA », hoy ny DIEM. Izany hoe: sady Izy no inoana, no Izy no manome ny finoana. Dikany: Minoa an’i JESOA. Omeny ny finoana: raiso! Tsy ny fahasitranana, araka izany, no tokony hahamaika, fa ny finoana an’i JESOA!

      Tena mino an ‘i JESOA ve ianao?