Sal 100 / Hira 164 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 808.1
Matio 9, 27-31
Misitraka famonjena ny mino
Rehefa mahalala ny maha Mesia an’i Jesoa
Niantsoantso ireto jamba roalahy ireto, nanao hoe: « Mamindrà fo aminay ry zanak’i Davida ô!» (and.27). Ny hoe: Zanak’i Davida, dia entina milaza fa Mesia na Kristy Izy. Nahalala sy nino ireto jamba roa lahy ireto i Jesoa no Kristy. Ny Soratra Masina, ao amin’ny Isaia dia milaza mazava fa ny mampiavaka ny Mesia dia noho Izy mampahiratra ny jamba (Isa 29, 18; 35, 5; 42, 7). Izany fahalalana ny Soratra Masina izany no mitondra finoana tao amin’ireto jamba ireto fa i Jesoa no Mesia. Izany no nahatonga azy hiantsoantso hoe: « Mamindrà fo aminay ry zanak’i Davida ô!». Afaka misitraka famonjena ny mino rehefa mahalala ny maha Kristy an’i Jesoa, ary finoana miorina sy tovozina ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Soratra Masina masina izany.
Rehefa manana faharetana mangataka sy mivavaka
Raha niantsoantso an’i Jesoa teny an-dalana ireto jamba ireto, dia tsy namaly azy ireo i Jesoa, fa nanohy ny lalany ary namonjy trano. Nony tao an-trano Izy, indreto mbola nanjohy Azy hatrany ary nanaraka Azy ihany ireto jamba ireto. Tao an-trano i Jesoa vao nanontany azy ireo hoe: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho. Eny Tompoko, hoy izy irco (and.28). Nanaraka hatreny an-dalana ka hatrany an-trano. Milaza faharetana izany. Izay mino tsy maintsy maharitra: « Mahareta koa ianareo » (Jak 5, 8). Mahareta mivavaka « Mahareta amin’ny fivavahana » (Rom 12, 12). Izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. Tena ilaina ny faharetana sy ny fiaretana amin’ny finoana.
Fanontaniana:
Moa ve tsy maintsy ilaina ny faharetana rehefa mivavaka?
Sampana Sekoly Alahady Foibe
0 Commentaires