( Sal 29. 1. 2 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira512.1.2)

« Ary Jesoa (…) nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina. » (and. 1)

Nirahin’i Jesoa handeha hitory ny fanjakan’Andriamanitra ny Apostoly. Nomeny ho azy ireo ny hery hahazoana mandresy ny demonia sy ny fahefana ahazoana manao ny asa nanirahana, ary fanomezana hahazoana manasitrana. Azo ireo, vao lasa nanao ny iraka ny Apostoly. Noho izany, ny olona efa nomena sy nandray hery sy fahefana hanao ny asa anirahan’i Jesoa Kristy azy no manao ny asa. Tsy ny olona rehetra mafana fo na izay mazoto akory no manao ny irak’i Jesoa, fa izay efa nahazo hery sy fahefana hanao izany. Ny Fiangonana no solon-tenan’i Kristy manome izany hery sy fahefana hanaovana ny asany izany.

«Aza mitondra zavatra ho amin’ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, … » (And. 3)

Rehefa handeha hanao ny iraka nampanaovin’i Jesoa azy ireo ny Apostoly, dia tsy navelany hitondra ireo filàna fanaon’ny olona rehefa handeha hiala tanàna. Hiasa an-kalalahana, tsy misy manelingelina amin’ny fahatokiana an’Andriamanitra no hevitr’izany. Araka izany. ny olona nandray hery sy fahefana hanao ny irak’i Jesoa Kristy dia matoky Azy ary miankina Aminy tanteraka. Tsy hitoky amin’ny tenany fa amin’i Jesoa izay mpaniraka. Izay ataony dia ny mihevitra mandrakariva ny hahavitan’ny iraka nampanaovina azy, fa i Jesoa Kristy kosa no miahy azy amin’ny alalan’ny zava-misy any amin’ny toerana izay itoriana Filazantsara.

Inona no sakana tsy ahavitanao ny irak’i Kristy?