JEREMIA 18.1-12

Ato anatin’ity teny nampitondrain’Andriamanitra an’i Jeremia mpaminany ity dia mihasinkasina mihitsy fa:

1-Masi-mandidy Izy (and6)

« Moa tsy mahazo manao aminareo toy ny ataon’ity mpanefy tanimanga ity va Aho ry taranak’Israely ? Hoy i Jehovah« .Mazava sady hentitra izany teny izany ary maneho marimarina tokoa fatompon’ny fahefana ny amin’izay tiany hitondrana ny fiainan’ny olony Andriamanitra .Tsy misy na iza na iza afaka mibaiko na manery Azy amin’izay sitraky ny fony .Tsitoha Izy .Mitondra inona ho antsika izany ?Mitaona antsika hatahotra an’Andriamanitra izany ,kanefa koa mitarika antsika hanetry tena eo anatrehany izany ka hanaiky izay fandaminany sy fanefeny fa tahaka ny mpanefy tanimanga izay mahalalaaa ny mampety sy mahatsara ny tanimanga eo am-pelatanany .I Jesoa aza manaiky ny fandaminan’Andriamanitra Ray na dia nangirifiry taminy aza (Lio 22.42) .Koa nahoana moa isika no tsy hanaiky hotefen’Andriamanitra sy alamin’Andriamanitra?

2-Mitaky fibebahana Izy(and11)

« Koa amin’izany , lazao amin’ny Joda sy amin’ny mponina eto Jerosalema hoe:izao no lazain’i Jehovah: Indro Izaho mamorona loza hihatra aminareo , ary mieviyra izay hamelezako anareo .Koa samia miala amin’ny lalany ratsy avy ianareo, ary ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo » .Ny mahafinaritra amin’ny Andriamanintsika dia izao : tsy mba mamely am-pitaka Izy fa efa lazainy mialoha ny hataony rehefa mbola mikiribiby amin’ny fahotany sy ny faharatsiany ny olona .Nahoana moa no dia hiandry hokapohin’Andriamanitra mafy isika vao hibebaka ? Aza mangataka andro , izao ankehitriny izao dia miverina Aminy .Antso nataon’i Jesoa koa ny hoe: MIBEBAHA ianareo (Mat 3.2) .

Fanontaniana :

Hatraiza ny fahavononanao hibebaka marina tokoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM