2 Tantara 29.31-36
Misongadina amin’ity mofonainatsika ity fa ny fanompoana an’Andriamanitra dia:
1. Mila mpitarika hendry (and 31)
« Ary Hezekia niteny hoe… » hoy ny fitantarana. Azontsika takarina avy amin’izany fa tena ny mpanjaka mihitsy no mirotsaka an- tsehatra amin’ny fitarihana ny vahoakany hiara-hirona amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy mitaona fotsiny izy eto, fa izy mihitsy no tomponantoka sy tompomarika amin’ny fanaingana ny vahoaka hanamasina ny tenan’izy ireo ka mba hahazoan’izy ireo koa manatona sy mitondra fanati-pisaorana ho an’i Jehovah.
2. Mila fiaraha-miasa (and 34)
« Fa vitsy loatra ny mpisorona ka tsy nahendaka ny fanatitra dorana rehetra, ka dia nanampy azy ny Levita rahalahiny ». Na ny Levita na ny Mpisorona dia samy taranak’i Levy, saingy ny taranaka avy amin’i Arona ihany no mpisorona. Samy manana ny raharahany manandrify azy ireo avy izy. Ny hitantsika eto dia izao, na dia samy manana ny zara fanompoany aza izy ireo, dia mifanampy sy mifanome tanana raha vao ny fanompoana an’Andriamanitra no resahina. Tokony alaintsika tahaka izany, ka tsy hisy hihevi-tena ho mahavita irery, fa hahatsiaro kosa fa azo atao hatrany ny miara-miasa, ary mahomby kokoa!
3. Loharanom-pifalian’ny vahoaka (and 36)
« Ary faly i Hezekia sy ny vahoaka rehetra… » hoy ny fiafaran’ny tantara eto. Ny mahafaly eto dia satria vita ny fanadiovana ny Tempoly. Kanefa ihany koa tanteraka ny fanompoana! Raha aravona izay rehetra voalaza dia izao mampiombona ny vahoaka ny fanadiovana ny tempoly, ary mahita fifaliana ny vahoaka raha ny mpanjaka no mety ho modely voalohany, mitarika azy hanompo an’Andriamanitra.
Fanontaniana
Manao ahoana ny fanompoanao an’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe