DEOTERONOMIA 18.20-22
Saropiaro amin’ny Teniny ny Tompo
1-Ka mampitandrina ny mpaminany (and 20)
Maniraka mpaminany Andriamanitra hanambara amin’ny olona ny sitrapony araka ny and 18 . Tian’ny Tompo hanana fiainana ny olona , ka tsy izay mahafinaritra ny mpaminany no ambarany fa izay lazain’ ny Tompo ihany .Fa maro ankehitriny ny mpaminany manao izay hanarahan’ny olona azy fa tsy ny hanarahan’ny olona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teny toa milaza fiadanana kanefa ny hahazoany tombotsoa no tanjony .Amin’izany dia lasa fitaovaa hahazoan’ireny mpaminany ireny tombotsoa ny mpihaino azy . Halan’Andriamanitra izany ary ambarany eo amin’ny and 20 , fa hataony maty ireny .
2-Tsy maintsy tanteraka izay lazainy (and22)
Manome toky Andriamanitra fa izay ambarany dia tsy maintsy tanteraka , satria Andriamanitra miasa Izy . Toetra iray mampiavaka Azy izany ka hanomezany toky antsika anio indray . Hoy ny teny nataony : « dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako .Tsy hiverina amoko foana izy ,raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin’izay ampandehanako azy » (Isa 55.11). Manam-pahefana hanome fiainam-baovao antsika ny teniny « fa efa teraka indray ianareo ,tsy tamin’ny voa mety ho lo ,fa tamin’ny tsy mety lo dia ny Tenin’Andriamanitra izay velona sady maharitra » (1 Pet 1.23)
Fanontaniana :
Inona no teny efa tanteraka teo amin’ny fiainanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM