Ohabolana 10. 1-12
Miavaka amin’izao tontolo izao ny mpino
1 – Misitraka famonjena
« Ny fahamarinana no mamonjy amin’ny fahafatesana » (and. 2). Andriamanitra irery no marina. Io fahamarinan’Andriamanitra io no hamonjena ny mpino. Foin’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao izany famonjena izany saingy izay miziriziry tsy manaiky Ilay lalàna sy fahamarinana ary fiainana, izy dia tsy afaka misitraka io famonjena sarobidy io. Ilay Andriamanitra marina dia mitana ny teniny sy ny fanekeny tamin’ny Abrahama ary mitohy hatramin’ny taranaka ankehitriny ny fikasam-pamonjeny hitondra any amin’ny tany vaovao sy lanitra vaovao, ka mamonjy amin’ny fahafatesana.
2 – Misitraka fitahiana
« Fitahiana no ho ao amin’ny lohan’ny marina » (and. 6). Samy tsy afa-misaraka amin’ny teny hoe : fitahiana avokoa na ny tso-drano, ny hosotra, fanokanana, firobroboana, fampifaliana. Fikasan’ny Tompo mihitsy no hisitrahan’ny mpanompony fitahiana hita maso sy azo tsapain-tànana. Ankasitrahany ny fampitomboana talenta saingy misy fepetra mazava izany dia ny fandehanana amin’ny fahamarinana. Tsy ankasitrahan’ny Tompo kosa ny fikasana hangoron-karena amin’ny fomba fanao izay mifanohitra amin’ny fahamarinana.
3 – Ankasitrahana ny fahatsiarovana azy
Samy hametraka tantara ho lovain’ny tarnaka amam-para isika ankehitriny izao. Na ho laza soa na ho laza ratsy. Ho an’ny marina dia voasoratra fa ankasitrahana ny fahatsiarovana azy. Ny asany manaraka azy.
Fanontaniana :
Inona avy no hiavahan’ny mpino amin’izao tontolo izao ?