2 Tantara 15.8-19

Mahita fiadanana ny firenena raha manana mpitondra

  1. Mihaino an’Andriamanitra

Hoy ny voasoratra eto hoe :”Ary rehefa ren’i Asa izany teny izany …” Midika izany fa tsy nataon’ny mpanjaka ho zava-maivana na nataony ho tsinotsinona ny hafatry ny mpaminany (izay olona irahin’Andriamanitra hampita ny Teniny) . Izany fihainoana ny mpaminany izany dia fihainoana an’Andriamanitra. Ny fiangonana no mpaminany ankehitriny .Raha mihaino ny fiangonana ny mpitondra dia tsy ho diso làlana izy! Ary aoka koa ny Fiangonana tsy hangina fa hampita hatrany ny Tenin’Andriamanitra!

2-Mivavaka marina (and 8b)

Voalaza eto koa hoe: “…dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’ny joda rehetra…” izany hoe tsy “mody mihaino” akory I Asa mpanjaka eto fa “tena nihaino” marina tokoa ka mandray andraikitra avy hatrany manao ny sitrapon’Andriamanitra, ary manomboka amin’izy tenany izany ka tsy mankasitraka izay rehetra endrika fanompoan-tsampy (and 16) izy. Maneho izany fa vonona hivavaka marina izy. Andraikitry ny mpitondra fanjakana ny mamerina ny firenena amin’Andriamanitra !

3-Mitaona ny vahoaka hivavaka (and 8d)

“…sady nanavao ny alitaran’I Jehovah izay teo anoloan’ny lavarangana fidirana amin’ny tranon’I Jehovah” ihany koa izy. Fanomezana lanja ny Fiangonana izany ary fitaomana ny vahoaka hivavaka. Tsy firenena laika izany rahateo I Madagasikara fa firenena Kristiana ka na ny hiram-pireneny aza dia tonom-bavaka .Koa izay mihira izany dia mivavaka amin’I Kristy .Aoka ho kristiana ny mpitondra ary kristiana marina dia ho tanteraka ny hoe “hiadana sy ho finaritra, he sambatra tokoa izahay” araka ny hiram-pirenena!

Fanontaniana:

Mpitondra manao ahoana no tokony hofidiana araka izany?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM