EKSODOSY 3.1-6
Horeba ,ilay tendrombohitr’Andriamanitra
Natao hoe : tendrombohitr’Andriamanitra ity tendrombohitra ity ,satria tao Andriamanitra no niseho sy nanambara ny tenany tamin’i Mosesy .Tao koa no nasehoany na nitenenany tamin’ny Zanak’Israely ka nanomezany azy ireo ny didy folo izay nampitondrainy an’i Mosesy . Natao ho isan’ny toera-masina izany ity tendrombohitra ity satria lasa toerana ivavahana sy fihaonana amin’Andriamanitra ary na toa hoe : Horeba ny anarany eto . Fahitana miavaka no hitan’i Mosesy tao nisy ilay roimemy nirehitra fa tsy levona ka nahasarika azy . Ny zavatra tian’ny Tompo ananan’i Mosesy kosa dia ny fanekeny ny herin’Andriamanitra tsy misy tahaka azy ,izay mahafehy ny zavatra rehetra. Efa asehon’Andriamanitra an’i Mosesy sahady izany mba hiheverany ny momba ilay Andriamanitra izany niantso azy rehefa hitarika ho amin’ny fanafahana ny Zanak’Israely izy .
2-Velona Izy sady Andriamanitry ny velona
Tamin’ny alalan’ireto anarana telo voalaza eto ireto : Abrahama,Isaka ary I Jakoba dia nampahafantatra Azy tamin’i Mosesy ny Tompo fa naverina sy nasongadina mihitsy ny hoe Andriamanitr’Abrahama sy Isaka ary I Jakoba , izany hoe : Andriamanitra velona Izy , ary Andriamanitry ny velona ihany koa . Manana izay hery rehetra hahatanteraka ny fahaveloman’ny olony Izy ary manana fahefana hanampy sy hitahy ny olony rehetra koa izay mino Azy .
Fanontaniana :
Mivavaka amin’Andriamanitra velona isika . Asehoy ny faharesenao lahatra amin’izany ,ny iainanao izany ary hampitana o zany amin’ny hafa .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM