Ezekiela 3. 22-27

Andriamanitra miteny amin’ny olony

1- Miaro azy amin’ny ratsy

« Andeha, mirindrina ao anatin’ny tranonao ianao. » (and. 24) Nanambara tamin’ny vahoaka ny faharavan’i Jerosalema sy ny loza maro samihafa mety hitranga ny mpaminany Ezekiela. Nanoloana izany, dia tezitra taminy ny olona ka nikasa hanisy ratsy azy. Mba ho fiarovan’ Andriamanitra azy, nirahina hihidy ao an-trano i Ezekiela ho fiarovana azy amin’ny ratsy. Araka izany, Andriamanitra dia mampahafantara ny olom-boafidiny ny tokony hatao manoloana ny fanenjehana noho ny fanambarana ny Teniny. Mety manahirana ny olona sy ny vahoaka tokoa ny filazana ny sitrapon’Andriamanitra, indrindra fa raha milaza loza noho ny faharatsiana. Ary antony mahatonga ny olona hanenjika ny mpanompon’ Andriamanitra izany. Raha mitranga aminao izany, matokia ny fitondran’i Jesoa Kristy anao sy ny fiarovany. Hiaro anao Jesoa Kristy.

2- Mampiteny azy amin’ny fotoany

« Fa raha miteny aminao Aho, dia hosokafako ny vavanao, ka dia holazainao aminy… » (and. 27). Misy ny fotoana izay nanaovan’ Andriamanitra an’i Ezekiela ho moana, tsy mahazo miteny, tsy mahazo mananatra ny vahoaka, tsy mahazo milaza na inona na inona amin’ny vahoaka. Asain’ Andriamanitra mangina ny mpaminany tamin’ny fotoana sasany ary tsy mahazo miteny izy raha tsy Jehovah no mampiteny azy indray. Araka izany, Andriamanitra no mampiteny ny mpaminany, dia ny Fiangonana izany. Tsy izay fotoana tiany hitenenana akory dia miteny izy fa Andriamanitra manambara azy ny fotoana tokony hitenenany. Ary izany no asan’ny Fanahy Masina amin’ny Fiangonana.

Fanontaniana:

Inona, iza no manosika anao hiteny manoloana ny zava-misy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe