Ny olon’afaka ao amin’ny Tompo
1 Petera 2. 11 – 16
1- Tsy voagejan’ny filàn’ny nofo (and.11)
Miady amin’ny fanahy ny filan’ny nofo, hoy i Petera eto, ka asainy fadiana. Aimpiasaina ny voambolana hoe : fadio eto, entina milaza zavatra tena tsy azo atao mihitsy fa misy fiantraikany amin’ny fiainana. Ny zava-pady mantsy dia tsy fandraràna fotsiny fa mety hitera-doza ny fanaovana azy. Eto ny filan’ny nofo dia miady amin ‘ny fanahy na manohitra ny fanahy mihitsy aza. Eny na ny Fanahy Masina aza dia tsy tamàna ao anaty fanjakan’ny filan’ny no fo. «Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao
izay zavatra tianareo» (Gal 5.17)
Izay olona nandray an’i Kristy dia sahy milaza tahaka an’i Paoly hoe: «… tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko…» (Gal 2.20). Eto ny Soratra Masina dia mampianatra antsika mba hanana fitondran-tena. Izany hoe : zavatra ataontsika ho hitan’ny manodidina antsika. Fitondran-tena araka an’i Kristy velona ao anatintsika. Fa tsy ny finoantsika ihany no takian’ Andriamanitra fa ny fijoroantsika vavolombelona anin’izay ataontsika ihany koa. Hoy Jesoa raha milaza izany hoe: «Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra» (Mat 5.16)
Fanontaniana :
Inona avy ny toetra hitanao fa mahatarika olona hino an ‘i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM