IMpanjaka 11. 29 – 39
Ny fifidianan’Andriamanitra
1- Mitaky fankatoavana ny didiny
« fa tsy nandeha tamin’ny làlako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko… »(and33). Andriamanitra nifidy an’i Davida sy ny taranany ho mpanjakan’ny Isiraely. Kanefa tamin’ny andro nanjakan’i Solomona dia niala tamin’ny didin’Andriamanitra sy ny fitsipiny izy ka lasa nanompo andriamanikafa. Vokatra izany, nesorin’Andriamanitra tamin’ny taranany ny fanjakana ka nomeny olon-kafa. Manoloana izany,mampianatra antsika olom-boafidin’ Andriamanitra indray ny teniny ka mila mankato ny didin’Andriamanitra isika, aza miala amin’ny fitsipiny ka mandeha manompo andriamanikafa. Ary ny fahafenoan’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra dia ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana ny teniny. Koa minoa an’i Jesoa Kristy ary ankatoavy ny teniny.
2- Mariky ny fahatokiany
« ..mba hisy fanilo ho an’i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny Anarako. » (and. 36) Raha nanome ny foko folo teo an’i Jeroboama Andriamanitra dia mbola nametraka foko iray kosa lzy ho an’ny taranak’i Davida tao Jerosalema. Tsaroan’Andriamanitra ny fanekena nataony tamin’i Davida mpanompony ka nahatoky tamin’izany Izy. Na dia tsy mahatoky sy mivadibadika amin’ny fanekena aza ny olona, Andriamanitra kosa mahatsiaro mandrakariva ny fanekeny. Ary izany no nahatonga Azy nanome an’i Jesoa Kristy Zanany mba hamonjy izao tontolo izao. Andriamanitra mihazona ny fanekeny dia mikendry famonjena ho an’ny olom-boafidiny koa izay rehetra mino an’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Inona no sampy mahatonga anao manadino ny fifidianana ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM