Sal 118, 1-4/Hira 14: 1,3/Mofonaina/HF 23:1,2

Jesoa mampianatra ka nampahafantatra ny tenany izay fiainana sy fahavelomana. Manala ny olona mihaino Azy tsy hibanjina fotsiny ny ety an-tany fa hijery ny fiainana any ankoatra. Ny fanambaran’i Jesoa ny tenany dia mety:

Tonga Jesoa nitory sy nanao fanoharana, nilaza ny tenany izay mitarika ny olona hibanjina ny fanahy sy ny fiainana. Izany fanahy sy fiainana izany dia entina milaza indrindra ilay toetran’Andriamanitra. Maneho ihany koa ilay fiainana ao amin’Andriamanitra lavitry ny faharatsiana ety an-tany. Maro ireo izay mbola variana ety an-tany ka tsy mahajery ny any ankoatra. Variana amin’ny nofo fa tsy mihevitra ny fanahy ka diso fanantenana dia mihemotra. Mampihemotra ny fankamamiana ny fiainan’ny nofo.

Tsy tahaka ireo izay tsy mino kosa anefa i Petera raha namaly an’i Jesoa. Satria ny fiarahany taminy dia efa nahatsapany fa fiainana mandrakizay sy ny fahamasinan’Andriamanitra no antom-pisiany. Tsy voafatotry ny zavatra tety an-tany fa tena nibanjina izay any ambony noho ny fihainoana ny tenin’i Jesoa. Mila tsaroantsika mino fa Jesoa mizara fiainana ho antsika dia mibanjina ny mandrakizay fa tsy ny ety an-tany ihany. Mihoatra lavitra noho izay kely atrehana ety an-tany ny mandrakizay izay mila tsinjovina tsara. Ka aza manao toa an’i Jodasy! Mora mivadika rehefa tambazana fiainana an-tany. Meteza hibanjina ny lavitra, handray an’i Jesoa ilay manana ny ety sy ny mandrakizay.

Ny fanambaran Andriamanitra ny tenany ao amin’i Jesoa Kristy, miteraka inona eo amin’ny fiainanao izany?