2 MPANJAKA 13.20-21
« dia velona Izy ka nijoro tamin’ny tongony »
Ny fandresena ny fahafatesana

1-Midika fahavelomana indray
« dia velona izy » (and21d).Manambara amintsika ny tantaranolona iray izay nandalo fahafatesana ny voalaza eto .Voasoratra fa tamin’ny fandevenana dia natsipy teo am-pasan’i Elia izay efa nodimandry ihany koa ny faty ,kanefa raha vao nitehaka teo am-pasan’i Elisa dia hita fa « velona « izy. Araka izany dia misy olona izay heverin’ny olona fa efa isan’ny maty tanteraka ,nariana, natsipy…Andriamanitra ihany no tompon’ny teny farany .Tsy miankina ami’ny fahaizan’ny olona ihany koa na ny herin’ny tenany manokana no hitondra fanafahana azy amin’ny fahafatesana .Tandindon’i Jesoa Kristy ilay maty ho antsika nefa mitondra fananganana ho antsika indray izao voalaza izao .
2-Ahafahana MIJORO INDRAY
« dia velona izy ka nijoro tamin’ny tongony » (and21a) .Ny faty dia tsy afaka mijoro intsony ,tsy manan-tsafidy ,fa mandeha amin’izay tian’ny olona hitondrana azy .Ny olona mbola velona soamantsara no faka mijoro,afaka mandeha ,manana safidy malalaka ary afaka manapa-kevitra ,tsy voatery hiankin-doha lava amin’ny olombelona tahaka azy izy fa afaka mivoatra sy mandroso tsara .Ny olona velona ao amin’ny Tompo dia tsy andevozin’i satana intsony ka sanatria entiny amin’izay tiany hitondrana azy .Ny fanontaniana ho antsika ary dia izao : efa tena velona ao amin’ny Tompo ve ianao sa mbola faty mandehandeha sanatria. Ny olona vita fihavanana amin’ny Tompo ihany no tena miaina amin’ny fahavelomana tanteraka .
Fanontaniana :
Inona avy ny mampiavaka ny olom-baovao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM