Eksodosy 24. 12-18

Maneho ny voninahiny amintsika Andriamanitra.

1- Rehefa manaraka ny toromarika omeny isika

Izay aseho antsika anio dia ny fiomanan’i Mosesy hihaona amin’Andriamanitra sy hanomezany ny vato fisaka mirakitra ireo lalàna sy didy asaina hotandreman’ny Zanak’Israely. Araka ny Testamenta Taloha mantsy, dia zava-mahatahotra loatra izany hihaona amin’Andriamanitra izany, ary tsy misy olona hahita ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny fahafenoany ka ho velona (Jereo Eks33.18 23). Ny fiomanana amin’izany dia ny fanarahana an-tsakany sy an-davany ny toromarika rehetra omeny, heverina ihany koa izay hisian’ny filaminana eo amin’ny vahoaka mandra-piverin’i Mosesy (and. 14). Nanao izay rehetra nandidian’Andriarmanitra azy i Mosesy mba hahatanteraka ny fanekena ifanaovan’Andriamanitra amin’ny vahoakany. Dia mba hanao toy izany koa isika ka hankato ny Tenin’Andriamanitra.

2- Rehefa hitokana hivavaka…

Mandraka ankehitriny dia mbola misy ireo izay mihevitra fa tena ilaina ny manokana fotoana hankanesana any an-tendrombohitra mba hitokam-bavaka tahaka ny nataon’i Mosesy. Tena zava-dehibe izany raha toa ka ny hitokam-bavaka tokoa no anton-dia, fa tsy sanatria handeha hitsangatsangana na hisakafo. Tsy ny fankanesana ho any an-tendrombohitra anefa no inona, raha fa ny fahatsapana ny antony, dia ny hihaona amin’Andriamanitra sy ny hahita ny voninahiny. Jesoa Kristy no endrik’Andriamanitra, ka izay mahita Azy dia mahita an’Andriananitra. lzany no ankalazantsika Azy, satria Izy no nanaisotra ny elanelana mampisaraka antsika amin’ Andriamanitra. Nitokana nivavaka niaraka tamin’ny mpianany koa lzy tao Getsemane (Mar 14.33) .

Fanontaniana:

Isaky ny fotoana inona isika no mba mitokana hivavaka?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM