ASAN’NY APOSTOLY 27.21-26
Ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra
1-Ampaherezina ny hafa

Niondrana an-tsambo ho any Roma i Paoly Apostoly . Niseho ny loza teny an-dranomasina . Notandomin-doza ny mpandeha rehetra.Nitsangana nampahery ireo olona tafara-dia taminy i Paoly Apostoly .Nambarany ny Tenin’Andriamanitra voarainy fa na dia eo aza ny loza mihatra , ny fahavoazana samihafa dia tsy hiharan’ny fahafatesana ny mpandeha fa ny sambo ihany no ho very (and22).Nampahereziny taminy ny Tenin’ny Tompo voarainy ireto mpiara-dia taminy : « Aza matahotra ,ry Paoly , fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’i Kaisara ianao » (and24/Asa 23.11) .Aza tehirizina ho anao irery ny Tenin’Andriamanitra voarainao , fa zarao ho fampaherezana ny manodidina anao .
2-Anehoana ny finoanao amin’ny hafa

Mafy ny nanjo , kanefa noho ny Tenin’Andriamanitra noraisin’i Paoly Apostoly dia tsy niova ny finoany an’i Jesoa Kristy .Tao anatin’ny fotoan-tsarotra no nasehony tamin’ireto olona tafara-dia taminy ireto ny maha- Izy Azy Ilay Andriamanitra ninoany sy tompoiny .Mazava tsara ny teniny nambarany eto : Andriamanitra no Tompo sady tompoiny (and23). Andriamanitra marina mandrakariva Izy , ka izay lazainy tsy maintsy tanterahiny ho an’ny mino Azy sy manompo Azy (and25).Ny olon’ny finoana dia sahy maneho izany mandrakariva Ilay inoany , sahy mijoro ho vavolombelona. Mitana ny Teniny mandrakariva ny Tompo .
Fanontaniana :
Inona no tokony hataonao raha mandalo fotoan-sarotra ny fiainanao ? Hazavao.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM