LIOKA 8.22-25
Ny Tenin’Andriamanitra vaha-olana
amin’ny loza manjo ny olona (and24-25)
« ary noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano ary dia nitsahatra izany ka tonga tony tsara ny andro ary hoy izy taminy :aiza ny finoanareo? «
Voalohany , hitantsika ao amin’ny andininy 26-39 fa rehefa tonga teny am-pita i Jesoa sy ny mpianany dia namaha ny gadran’ilay demoniaka iray . Azo eritreretina izany fa mba hanakanan’i satana izany fanafahana lehibe izany dia niasa mafy izy ka nampanonja ny ranomasina ary ny rivotra mafy mba ho fefika i jesoa sy ny mpianany . Aro loza ny Tompontsika . Ny teniny no nampitony izany ka avotra izy ireo .Ary mbola afaka manao izany amintsika koa Izy . Hoy Izy hoe: « Antsoy Aho dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao » Jer 31.3 .Ireto mpianatra ireto raha sendra loza dia niantso vonjy tamin’i Jesoa ka novaliany .
Ny Tenin’i Jesoa koa eto dia toa manontany ny finoan’ny mpianatra raha io teniny io dia toa ahafantarana fa efa manam-pinoana ny mpianatra , saingy tsy noheveriny ho ampiasaina amin’ny toe-javatra toy izany ny finoana an’i Jesoa . Teto izy ireo dia talanjona ny amin’i Jesoa , fa hay azo antsoina amin’ny toe-javatra , toy izao koa ny Tompo satria avoafehiny izany .Fantaro àry fatena azo ampiasaina amin’ny toe-javatra toy izo koa ny finoana .
Fanontaniana :
Saika olana sy loza manjo no matetika hita eo amin’ny fiainan’ny olona .Inona no vaha-olana amin’izany rehetra izany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM