APOKALYPSY 11.15-19

Ilay Kristy Tompon’ny fanjakana

1-Manjaka amin’izao tontolo izao

Notsofin’ny anjely fahafito ny trompetra , manambara ny fandresena ny faharatsiana rehetra izany .Resy ilay ratsy ka indro manjaka amin’izao tontolo izao Ilay Tompon’ny fanjakana , manjaka mandrakizay .Hamafisina eto ny voalaza ao amin’ny Mat 28.18 manao hoe: « efa nomena Ahy ny fajefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany  » Koa mba hahatonga ny ratsy tsy hanankery eo amin’ny fiainanao dia raiso sy ekeo ho Mpanjakanao i Jesoa Kristy.

2-Mpitsara marina

Tsy hoe: mitondra sy manapaka izao tontolo izao fotsiny ilay Tompon’ny fahefana fa mitondra sy mitsara ihany koa. Mitsara sy manameloka ilay ratsy nanimba ny tany Izy . Fa mifameno amin’izany kosa dia mitsara ka manome valimpitia ireo mpanompony izay niaritra tamin’ny zavatra rehetra,nitana ny finoana tamin’ny fanarahana Azy .Mifikira tsara amin’Ilay Tompon’ny fanjakana dia handray ny valimpitian’ny olom-boavonjy ianao.

3-Mitana ny fanekena

Rehefa novahana ny tempoly dia indro tao ny fiaran’ny fanekena dia ny fiaran’ny danekena maneho ny fanatrehan’Andriamanitra ny olony tany anefitra sady maneho Ilay Andriamanitra nanao fanekena tamin’ny olona . Ilay fandresen’Ilay Kristy Mpanjaka dia maneho fa mitana ny fanekena Andriamanira, mitoetra eo amin’ny olona Izy , ary tsy amela ho irery ny olona amin’ny fotoana rehetra .

Fanontaniana :

Inona no tokony hataonao mba hampanjaka an’i Kristy eo amin’ny fiainanao sy tokantranonao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM