ISAIA 35.1-4
Miomana handray ny Tompo ry reraka am-po
- Fa ho avy Izy
“Lazao amin’izay reraka am-po : mahereza , aza matahotra . Indro Andriamanitrareo , ho avy mitondra famaliana” .Andriamanitra mandray andraikitra no hita amin’ity faminaniana ataon’I Isaia ity. Andriamanitra mihitsy no mandray mivantana ny amin’ny famaliana sy ny famonjena ny olona .Ao an-tany fahababoana ny olony no hilazany fa Izy no mitondra ny olona hiala amin’ny toeram-pahoriana .Ianao ihany koa no ilazany izany teny izany . Ho avy I Jesoa handray ny adinao , hiasa Izy araka ny voasoratra hoe : « mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa , diovina ny boka ary malady ny marenina, atsangana ny maty ary ny malahelo dia hitoriana ny Filazantsara » (Mat 11.5). Ny anjaranao kosa dia ny manatona Azy sy mitondra izay mavesatra eo Aminy fa toky efa nomeny indrindra ny hoe: “Mankanesa aty Amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra fa Izaho hanome anareo fitsaharana “ (Mat 11.28)
2-Fa hovany ny tontolo
Tany efitra , tany karankaina , tany hay : toerana samy tsy azo iainana ireo. Toerana milaza tsy fisiam-piainana mihitsy kanefa dia ambaran’ny Tompo hoe: “ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina ary ny tany hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia “. Toy izany no fiovan’ny fiainana izay itoeran’Andriamanitra ary ny fiainantsika ihany koa dia toy izany rehefa omentsika toerana ao amin’ny fontsika I Jesoa . “Dinihonareo ny Soratra Masina , ataonareo fa ao Aminy no anananareo fiainana mandrakizay ary ireny no manambara Ahy , kanefa tsy mety manatona Ahy ianaraeo hanananareo fiainana” (Jao 5.39-40 ) . Inona no andrasantsika tsy handray ny fiainana be dia be omen’I Jesoa e! Hevero ny tenin’ny mpanao Salamo :”Andramo ka izahao… fa tsara I Jesoa.
Fanontaniana :
Raha ho avy ny Tompo , inona no ambaranao Azy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM