Genesisy 15.7-21
Mampiorina ny mpanompony Andriamanttra
1 Milaza ny efa nataony
Nisalasa ny amin’ny fahatanterahan’ny Teny fampanantenana nataon’Andriamanitra taminy i Abrama. Nampahery sy nampiorina azy noho izany Andriamanitra ka nanambara fa Izy no nitondra ny fiainan’i Abrama niala tany amin’ny taniny ho any amin’ilay tany fampanantenana. Efa monina amin’io tany izy Abrama, efa nanatanteraka ny Teniny Andriamanitra koa tsy tokony hisalasala ny amin’ ny ho avy Izy.
2 Milaza ny zavatra hitranga
Manamafy hatrany Andriamanitra fa azo antoka ny Teniny, tena hanana taranaka i Abrama, ho tonga firenena lehibe izy. Ireo taranany ireo na dia efa nomena ny tany kanana ho lovany aza dia hifindra monina any an-tany hafa. Any amin’izany tany hifindrany izany dia hiharan’ny fampahoriana lalina izy ireo. Mitana ny fanekeny Andriamanitra ka hanafaka sy namerina azy ireo ao amin’ilay tany fampanantenana. Midika izany fa ny ho avin’ny taranak’i Abrama dia mbola eo an-tanan’ Andriamanitra.
3 Manorina fanekena
Nasain’Andriamanitra naka biby atao fanatitra izy : ombivavy, osivavy, ondrilahy izay samy nosilahany ary koa domoina sy zana-boromailala. Rehefa alina ny andro dia nandeha namaky ny ireo biby voasilaka ireo Andriamanitra. Izany no marika fa manao ny fanekena tamin’i Abrama izy, nisy koa fanambarana nataony feo tafapaka tamin’i Abrama.
Fanontaniana :
Inona no tokony hatao handresena ny tsy finoana ?