1Samoela 17, 31-3 7
Rehefa miatrika ady sarotra:
1-Tsarovy izay efa nataon’ny Tompo taminao
Niatrika ady sarotra ny zanak Israely: Nihantsy azy ireo Goliata avy any Gata. Teo anatrehan’izany dia nitamberina tamin’i Davida, ary nampitainy tamin’ny Saoly hoe: « Jehovah izay namonjy ahy tamin ‘ny liona sy ny bera, lzy no hanmonjy ahy amin ‘ny tànan ‘io Filistina io » (and 37). Ilaina àry ny mahatsiaro ny famonjena efa nataon’ny Tompo tamintsika mba hahafahana miatrika am-pinoana ireo olana samihafa izay mandalo. Hoy Jesoa: « Aty amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana, nefa matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao » (Jao l6, 33).
2- Aoka hiankina amin’ny herin’ny Tompo hatrany
« Izy no hamonjy ahy amin ‘ny tànan ‘io Filistina io » (and 37b). Raha niankina tamin’ny sandriny, ny halavany, ny heriny sy ireo fiarovany ary ny fitaovam-piadiany i Goliata; Davida kosa niankina tamin’ny herin’Andriamanitra velona. Mampanantena fandresena ho antsika Ilay efa naharesy izao tontolo izao ( Rom 8, 37)
3) Hajao ny paikan-damina
« Mandehana, ary homba anao anie Jehovah » (and 37e). Na dia maika te-handresy ny fahavalo aza i Davida dia tsy maintsy niroso lamin’ny fandrosoana lahadinika sy fandresena lahatra izy aloha. Nahazo fankatoavana izy avy eo izay vao nirotsaka an-tsehatra. Aza atao ambanin-javatra ny tenimiera sy ny rafitra, izay vao manapa- kevitra. Zava-dehibe ny fanomezana lanja ny ratitra mpiahy sy ireo ray aman-dreny izay tsy maintsy hakan-kevitra sy hieràna. Eto àry dia afaka miroso tsara i Davida satria feno ny fepetra.
Fanontaniana
Inona no mampiavaka ny fomba fiadin ‘i Davida.
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM