Jeremia 7,1-11
Aza atao zohy fieren’ny jiolahy ny Fiangonana
«Moa ataonareo ho zohy fieren’ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity?» (and.11)
1- Ataovy tsara ny lalanao sy ny ataonao
«Ataovy tsara ny làlanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin’ity tany ity ianareo» (and.3). Miankina amin’ny fandehanan’ny olona araka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanaovana toetra mendrika ny Filazantsara no mampisy fitahiana eo aminy
2- Mitsarà marina
«ka mitsara marina ny adin’olona amin’ny namany ianareo» (and.5). Mahatezitra ny Tompo ny fitsarana miangatra, izay manamarina ny meloka ary manasazy ny marina. Ilaina ny fitsarana tsy miangatra araka ny tokony ho izy. Aoka ny tompon’andraikitra mba hitsara araka ny rariny sy ny hitsiny fa tsy hijery tavan’olona
3- Atsaharo ny fampahoriana ny madiniky ny Tompo
«Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin’ity tany ity» (and.6). Tsy azo heverina ny fisian’ny olona misora-tena ho mpanompon’Andriamanitranitra kanefa manao tsonotsinona ireo madinika toy ny vahiny, ny kamboty, ny mpitondra tena sy ireo olona mila vonjy (Mat.25,45)
4- Ialao ny fanompoan-tsampy
«sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo» (and.6). Andriamanitra saro-piaro no ivavahantsika, ka tsy manaiky fampirafesana. Voasoratra any amin’ny didy folo izany (Eks.20,3). Tsy eken’ny Tompo ny fanompoana tompo roa. Andriamanitra irery ihany no iankinanatsika sy ianteherantsika.
Fanontaniana
Inona avy ireo mahatezitra ny Tompo amin’ny olona?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM