GENESISY 2.4-17
Noharian’Andriamanitra ny olombelona
Andriamanitra dia mampiseho ny fitiavany antsika ,ka nohariany isika mba :
1-Hanam-pifandraisana Aminy (and7)
Ambaran’ny Soratra Masina fa vovoka avy amin’ny tany no nanamboaran’Andriamanitra ny olombelona ,ka nampidiarny fofonaina mahavelona .Io fofonaina avy amin’Andriamanitra io no ananany fifandraisana amin’Andriamanitra .Noforoniny araka ny endriny sy araka ny tarehiny ny olona (Gen 1.26/5.2). Izany koa no mampiavaka azy amin’ny zava-mananaina hafa .
2-Hiasa sy hitandrina ny saha (and 9-15)
Noharian’Andriamanitra sady narindrany araka ny fahatsarany ny zava-boahary rehetra ilain’ny olombelona mba hahavelona azy .Tsy natao hipetra-potsiny ny olona fa nametrahana andraikitra mba hiasa sy hitandrina ny zava-boaharin’Andriamanitra .Adidin’ny olombelona ny mikolokolo sy miaro ny tontolo iainana .Ny fikaohan’ny nofo-tany sy ny fanimbana ny ala tsy am-piheverana ,ny doro tanety mbamin’izay rehetra manimba ny firindran’ny zava-boahary dia manohitra ny lamina napetrak’Andriamanitra .
3-Hankato ny teniny (and16-17)
Nasehon’Andriamanitra ny tsara sy ny ratsy noho ny fitiavany dia nomeny safidy malalaka ny olombelona na hankato ny didin’Andriamanitra na tsia. Ny fankatoavana ny teniny no antoky ny fahaveloman’ny olona .Fa raha mandika izany izy dia ho faty (and17) .Ny fankatoavana ny teniny no antoky ny fahavelomana mandrakizay .
Fanontaniana :
Fahotana ve ny manimba ny zava-boahary sy ny tontolo iainana ? Hazavao ny hevitrao .
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM