MOFONAINA 20 Août 2023: Eks 17/8-16
Zanak’Isiraely miady amin’ny Amalekita.
1-Samy manana ny andraiky ny tsirairay, fa tsy mety dia mandeha irery na miasa irery. Tsy maintsy miaramiasa. Tsy misy mahavitatena, tsy misy mahaleotena. Tsy maintsy mifanohana sy mifanampy. Mosesy nitana ny tehina tamin’ny tànany roa. Mbola mila an’i Arona sy Hora koa koa amin’izany hanihana azy. Josoa sy ny lehilahy nandeha niady.
Ary raha nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tanany, dia nahery kosa ny Amalekita.
Inona no dikan’ny tànana misandratra?
2-Tsy maintsy mila an’i Jehovah Tompon’ny maro. Nahoana?
Jehovah: IZY NO MPIADY MAHERY. IZY NO TSITOHA. Raha vao tsy eo IZY, tsy maintsy resy. Koa ny tànan’i Mosesy misandratra dia toy ny antenne hifandraisana Aminy. Hors réseau raha vao tsy misandratra ny tehina. Toy ny miolonolona na mandà AZY. Raha vao misandratra kosa ny tehina dia midina ny hery avy AMINY. Milofika ny Amalekita fahavalo, fa misandratra ny miaramilan’i Jehovah. Tsy an’i Mosesy sy Josoa ny ady, fa an’i Jehovah. Tsy maintsy IZY no itokiana sy ianteherana. Izany no anton’ny tehina misandratra.
Ry havana,
Miady mandrakariva isika. Tsy mitolona amin’ny nofo amandrà anefa (Efes 6/12). Tsy maintsy mangataka hery amin’i Jehovah isika, tsy maintsy miaraka sy miombona. Izany rahateo no maha-Fiangonana antsika. Mazotoa mangataka hery avy Aminy ary mifankatiava.
Ho an’Andriamanitra irery ny voninahitra. Amena
Source
0 Commentaires